top of page

AFAKA MAMPAHAFANTATRA NY HO AMPITSON’NY FIAINANTSIKA VE NY TOMPO ?

Efa nozarain’i Aina vadiko tamintsika teto ny niforonan’ny tokantranonay. Raha fehezina dia samy tao anatin’ny fotoana niandrandrana izay ho anjarany avy izahay no nampihaonin’ny Tompo tamin’ny fomba mahagaga ary tsy takatry ny saina izahay roa.

Fa misy tenin’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 45:11 tiako hozaraina amintsika ary tiako iderana manokana ny Tompo : “Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy …”.


Mbola mpianatra aho satria roapolo taona teo ho eo no nahafantarako fa amin’ny faha-28 taona aho no hanambady ary ho telo ny zanako. Tsoriko fa tsy faniriana tao anatiko akory izany na hoe nofinofy fa toy ny tsindry mandry tao anatiko tao ary tena tsy fantatro tamin’izany hoe ho iza no ho anjarako na firy lahy firy vavy no ho taranako.

Nahagaga anefa fa vao feno 27 taona aho no nalefan’ny mpampiasa ahy hamita iraka maharitra any Mahajanga. Volana Janoary no nialako ny tokan-tranon’i Dada sy Neny ary ny volana Jona nahazoako 27 taona no nifanojo ny làlanay nohon’ny fandaharan’izy Tompo tsy takatry ny saina. Feno 28 taona sy roa volana tokoa aho no vita fanamasinana ny fanambadianay.


Herin-taona sy tapany taty aoriana dia teraka i Tony Samuel zanakay voalohany, roa taona no nanelanelana azy sy Noah Tantely zanakay faharoa ary enin-taona kosa ny elanelan’I Noah sy Nathan Hasina.


Raha fehezina dia nitana ny teniny ny Tompo ! feno 28 taona aho no voamasina ny fanambadianay ary telo lahy ny zanakay. Dera sy Voninahitra ho an’Andriamanitra !!!

Articles
Articles récents
Témoignages par thème
No tags yet.
Archives
Suivez nous sur
  • Facebook Basic Square
  • Twitter Basic Square
  • Google+ Basic Square
bottom of page