top of page

MANANA VARAVARANA IVOAHANA FOANA HO AN’NY ZANANY NY TOMPO.

Manoloana ny zavatra sasany mitranga eo amin’ny fiainana, dia matetika isika no very hevitra ny amin’izay tokony hatao. Ekena fa misy trangan-javatra izay tsy voafehintsika, ohatra olana ara-ekonomika, rivo-doza, ady sy korontana maneran-tany, sns... izay iainantsika isan’andro ary misy fiantraikana eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Manana vahaolana amin’izany anefa ny Tompo ary ny Fanahy Masina no mitari-dàlana antsika sy mampahafantatra ny làlan-kizorana.


“ Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.” Heb 4:16


Nanomboka ny faran’ny taona 2007 aho no niasa ho ana-ivon-toerana iray mikarakara ireo

mpandraharaha malagasy sy vahiny ao Nosy be Hell-Ville ary iantohan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena iray (banky iraisam-pirenena).


Iaraha-mahalala kanefa fa nipoaka ny krizy ara-politika teto Madagasikara ny volana Febroary 2009 ary tsy nisy nieritreritra ny haharetan’izany ho dimy taona maninjitra. Nanambana ny sazy ny mpamatsy vola ary efa nanangasanga ny fampiantonana arak’asa maro dia maro. Tao anatin’izany (Janoary 2010) no nisy olona nanantona ahy ary nanome soso-kevitra ny hiara-miasa ary hanangana orinasa miandraikitra filaminana na “société de gardiennage”. Rehefa nandeha ny fotoana dia natao ny fanadihadiana sy ny tombatombana àry dia tafatsangana soa aman-tsara ilay orinasa ny 01 Aprily 2010. Ny faran’ny volana Jolay kosa no notapahin’ny banky iraisam-pirenena tanteraka kosa ny fifanarahan’asa niaraka taminy.


Isaorako manokana ny Tompo nanome fahazavan-tsaina sy fahalalana ny amin’izay hitondrana ny orinasa satria taranja tsy mba nianarako ary tsy ananako traikefa ny resaka “filaminana” na “sécurité”. Betsaka ny olana nosedraina sy ny zavatra nolalovana fa dia ny Fahazavan-tsaina avy Aminy no nitarika sy nanoro làlana. Telo no mpiasa teo am-panombohana ary efa-taona taty aoriana dia mahatratra 160 ny isan’ny mpiasa. Midera ny Tompo manokana aho satria raha maro ireo orinasa nandroaka mpiasa nandritry ny krizy, izahay kosa nahazo fahasoavana ary nanome asa sy nitondra ny anjara biriky kely ho an’ny mpiara-monina.


Tsy tanteraka anefa izany raha tsy teo ny herin’ny vavaka sy ny fiankinana tanteraka amin’ny Tompo ny amin’ny làlana rehetra tokony nizorana araka ny teny ao amin’ny Filipiana 4 : 6 manao hoe : “Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra”.


Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra !

Articles
Articles récents
Témoignages par thème
No tags yet.
Archives
Suivez nous sur
  • Facebook Basic Square
  • Twitter Basic Square
  • Google+ Basic Square
bottom of page