top of page

ANDRIAMANITRA ô...NAHOANA NO NILAOZANAO AHO ?

"Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no nilaozanao aho ? Mitaraina aho, nefa mijanona lavitra ahy ny famonjena ! " Salamo 22 : 2 (Baiboly katolika)

Maro amintsika no mahatsiaro an'io teny hita ao amin'ny Salamo nataon'i Davida io izay mitory ny fihetseham-pon'ny olon'Andriamanitra manoloana ny toe-javatra iray na maromaro eo amin'ny fiainana. Entiko zaraina amintsika etoana ny olana sy sedra goavana lalovanay mianakavy kely ary itarainana sy ivavahana mafy ny hialana aminy.


Raha nanokatra ity sehatra fijoroana vavolombelona ity izahay dia nizara taminareo ny tantaranay mianakavy kely. Tonga tokoa ankehitriny ny volana Desambra 2014 voatondro hialanay eto Nosy be nohon'ny antony maro samihafa, indrindra fa antony arak'asa.


Very hevitra tanteraka satria tsy hay marina aloha ny tena làlana itondran'ny Tompo ny fiainanay : aiza marina no hifindra, aiza ny ankizy no hafindra mianatra, aiza ny trano hipetrahana, tsy mbola misy mangirana sy mazava hatreto ny anjara asa ho enti-mamelona ny ankohonana ary indrindra ny olana ara-bola sy ho enti-manana miatrika izany...


Mampieritreitra lalina ny zava-misy ary indraindray kivy tanteraka satria arakaraka ny anarahana ny Tompo no mampitombo ny olana sedraina. Ao anatin'ny olana mitranga koa anefa no tokony ifikirana mafy amin'ny finoana satria tsy "nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena". II Timoty 1 : 7


Ka alao hery àry ry havana, be ny olana sedraina, tsy mbola niova anefa ny Fitiavan'ny Tompo. Dia manantena mafy ary midera sahady izay asa mahagaga hasehony na mbola tsy hitan'ny maso aza.


Farany, zaraiko amintsika ity teny feno fampaherezana ao amin'ny Salamo 16:5-6 "Jehovah no anjara lovako sy kapoakako ; Ianao no mampaharitra ny anjarako. Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra, eny, manan-dova tsara aho". AMENA


Mihary



Articles
Articles récents
Témoignages par thème
No tags yet.
Archives
Suivez nous sur
  • Facebook Basic Square
  • Twitter Basic Square
  • Google+ Basic Square
bottom of page